<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>664</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Nalain'ny Mpahary ity
 zaza ity
 Ho sambatra mandrakizay,
 Miandry antsika nilaozany atý
 Fa mbola hihaona indray,
 Onony ny fonao,
 Ry mana-manjo !
 Ao an-danitra izy izao,
 Ravo izy izao,
 Fa ny lapan'ny Ray
 Fonenana mandrakizay.

[V2]
 Nafahina amin'ny loza etý
 Ka tretrika izy izao,
 Ny nofo ho lo no alevina atý
 Fa any ny tena vaovao.
 Onony ny fonao, ..sns.</lyrics>
<title>Nalain'ny Mpahary ity zaza ity FFPM664</title>
</song>